- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Zazamenavava narian’olona tao ambany tetezana

Toamasina : Zazamenavava narian’olona tao ambany tetezana

Hatairana ny an’ireo mponina sendra nandalo vao maraina, teo ambonin’ny tetezana ao amin’ny fokontan’Antseranampasika, ny sabotsy maraina teo, fa zazamenavava miakanjo tsara sy nofonosina bodofotsy sy lambaoany no hitan’izy ireo. Vao nahita izany ireto mpandalo, dia niezaka  nijery sy nanaisotra ity zazamenavava tao ambany tetezana ity, saingy alahelo ny azy ireo fa efa tsy nisy aina intsony  io no nakarin’izy ireo avy tao. Avy hatrany dia nampandre ny filoham-pokontany ireto olona ireto, ny filoham-pokontany indray no niantso polisy misahana heloka bevava sy ny zaza tsy ampy taona, ny mpitsabo misahana ny fahadiovana eo anivon’ny kaominina, nijery ny zava-nisy. Raha ny fanazavana azo, dia tsy zaza nesorina ity zazamena vava hita faty tao ambany tetezan’Antseranampasika ity, zaza nateraka ara-dalana tsy misy fahasembanana ilay izy, saingy tsy fantatra ny antony namonoan’ny ray aman-dreniny azy, ka nanarian’izy ireo azy tao ambany tetezana. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo dia  efa tsy nisy aina ity zaza ity no napetraka tao ambany tetezana raha ny zava-misy nozahany, saingy nentina nanafenana ny fomba nanariana azy tao ambany tetezana dia nataon’ireo ray aman-dreniny toa zaza mbola velona izy nandritra ny fitondrana azy. Manamarina izany ilay zazamenavava miakanjo tsara sy mbola norakofina bodofotsy ary nofonosina lambaoany. Nilaza anefa ny polisy misahana ny heloka be vava sy ireo zaza tsy ampy taona, fa ho an’ny mponina mahatsikaritra tokantrano vao teraka nefa tsy hita tampoka na voalaza fa maty ny zaza ao amin’izy ireo manodidina an’Antseranampasika sy Ambohijafy ary Ambalamanasy, mba hampandre azy ireo, fa heloka bevava ny tahaka izao.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici