- Publicité -
samedi, juillet 26, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Zazavavy kely telo taona naolan’ny mpanampy

Toamasina : Zazavavy kely telo taona naolan’ny mpanampy

Ny talata 15 martsa hariva lasa teo raha nanasa ny zanany vavy vao telo taona ny reniny, dia gaga nahita tsiranoka tao anatin’ny kilaotin-janany. Raha nofotorany ilay izy dia hita fa tsiranoka avy amina tsirinaina, ka voatery niantso am-badiny ilay ramatoa nijery ny zava-nisy.

Teo dia nanana ahiahy tamin’ilay mpanampy lahy vao feno 18 taona izy mivady, satria toerana mifefy sy tsy be mpiditra no misy azy ireo na mpivarotra aza ny asa fiveloman’ireto fianakaviana ireto. Raha nanaovan’ny rain’ilay zazavavy kely telo taona fanadihadiana ilay mpanampy lahy, dia tsy nandà ny fanolanany ilay zazavavy kely saingy nambarany kosa, fa ny fahitany ilay zazavavy kely niboridana avy nandro ny antoandro no nanaitra ny filany ka nahatonga azy hanolana azy, izay mbola nambarany fa fahotana mahafaty vitany noho ny filan-dratsiny. Avy hatrany dia nametraka fitoriana teo anivon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona sy ny polisy misahana ny heloka be vava tao Toamasina izy mivady; ka voasambotra ilay mpanampy lahy ny alarobia teo ary niakatra fitsarana ny sabotsy izay namoahan’ny mpitsara misahana ny zaza tsy ampy taona miandry fonja vonjimaika.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici