Ny alarobia 18 jolay teo tokony tamin’ny 4 ora hariva dia zazavavy kely tokony ho 3 taona teo antsoina hoe Lancia, no narian’ny ray aman-dreniny teny an-dàlana ka nitangoronan’ny olona noho izy tsy nahita izay alehany ka nipitrapitra sy nitomany irery teo amoron-dàlana fotsiny. Teny Tsarakofafa no nahitana azy tamin’izany, koa na niezaka nikaroka ny ray aman-dreniny, sy nanaovana filazana samy hafa tamin’ny haino aman-jery, ary namoahana filazana teny amin’ny fokontany manodidina an’i Tsarakofafa, ity fianakaviana tsara sitra-po iray, nefa tsy hita sy tsy nipoitra mihintsy ireo ray aman-dreniny. Hainy tsara ny anaran’ny ray aman-dreniny izany Tino izany ny rainy sy Sonia izany ny reniny, saingy tsy tadidiny kosa ny làlana mihazo ny fonenan’izy ireo. Lasa ity fianakaviana tsara sitra-po ity izany ny misahana ny fikarakarana an’i Lancia kely ny alin’ny alarobia ka ny alakamisy 19 jolay teo dia tsy maintsy naterina teo anivon’ny sampan-draharahan’ ny mponina ity zazavavy kely ity, ny teny amin’ny polisy sy ny zandary koa tsy mbola nisy fitarainana zaza very, ka heverina ho tena nariana mihintsy ity zazavavy kely ity noho izany. Noho ny alahelo amin’ny Lancia kely dia efa betsaka ireo fianakaviana eto an-toerana sy ireo Malagasy any ivelany no mikasa ny hanangana azy noho izao olana sedrainy narian-dray aman-dreny izao. Koa ho hita eo izany ny tohin’ny tantaram-piainan’ny Lancia zazavay kely 3 taona ity.
Malala Didier