- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilÀ lireAntsirabe : Tobim-piantsonana piste /Mitaraina ireo mpivarotra fa mihoa-papana ny vola takiana...

Antsirabe : Tobim-piantsonana piste /Mitaraina ireo mpivarotra fa mihoa-papana ny vola takiana aminy

Miteraka korontana ny fakana vola mihoapapana amin’ny mpivarotra.

Efa hatramin’ny volana May 2023 no nisy ny disadisa teo amin’ireo mpivarotra sy ny sampandraharaham-paritry ny fitanterana miaraka amin’ny ireo voalaza fa mpitantana ny tobim-piantsonana ao amin’ny piste Vatofotsy.

Mpivarotra iray no niantefan’ny antsonjay tany amboalohany, nokasain’ny sampaharaharaham-paritry ny fitanterana noesorina teo amin’ny toerany ity mpivarotra ity. Niakatra fitsarana ny raharaha ka tsy nahery lahatra ny fanazavan’ny ingahy talem-paritry ny fitanterana teo aloha izay nitarika azy tamin’ny fahareseny. Nambaran’ity farany mantsy fa hanamboarana tetikasan’ny filoha ny toerana ka mila miala amin’ny toerany ity ramatoa mpivarotra ity.

Ankehitriny dia takiana vola indray ireo mpivarotra, tsy ilay ramatoa irery intsony fa voakasika avokoa rehefa mpivarotra eo amin’ny tobim-piantsonana rehetra hatramin’ireo mpanao varo-mandeha. Misy ny fifanarahana an-taratasy “contrat” navoakan’ireo komity mpitantana ny tobim-piantsonana ka izay tsy manaiky hanao Sonia io fifanarahana io dia homena fampilazana mialoha amin’ny fanesorana azy avy  hatrany eo amin’ny toerany.

Takiana hatramin’ny 10000 ariary isam-bolana ireo mpivarotra madinika manao varo-mandeha toy ny voankazo , kaka pigeon sns ka vao mitsidika ny volana dia tsy maintsy aloha io vola hoy ny solon-tenan’ireo mpivarotra. Tsy misy sokajiny ireo mpanao varo mandeha ireo fa dia takiana an’io vola io avokoa.

Toy izany ihany koa ireo mpivarotra mipetraka toy ny hotely, na mpivarotra enta-madinika dia tsy maintsy hanofa 100.000 ariary ny toerany.

 Didi-jadona no adraisan’ireo mpivarotra ity fanapahan-kevitry ny mpitantana ny fiantsonana ity ka hanaovan’izy ireo fitarainana amin’ny mpitondra mahefa eto an-toerana hamaha ny olana.

Tsy mandà ny handoa ny hofan’ny toerana  izahay hoy ireo mpivarotra raha izay no lamina vaovao fa mihoam-papana ary mihoatra ny tokony ho izy ny vola takiana aminay, tsy misy anefa ny tamberin’andraikitra hoy hatrany ny fazavana fa miaina anaty loto sy korontana izahay.

Andry N.                   

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici