- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversTobin'i Bernard –Maevatanàna : Lehilahy nangalatra niasa niatsitrika volamena maty voantsindrin'ny vato

Tobin’i Bernard –Maevatanàna : Lehilahy nangalatra niasa niatsitrika volamena maty voantsindrin’ny vato

Tena mihazakazaka noho ny manao asa volamena manivana ny vokatra azo amin’ny fiantsitrihana anaty rano. Ny angom-vaovao hatrany no nahalalana fa maro ireo olona manolon-tena manao asa fiantsitrihana mikaroka volamena, anaty rano, izay mandeha amin’ny metatra maro ny halaliny. Isakan’ny Alahady no voalaza fa tsy azo hiasana io rano io, mba hitandremana ny andro fady, hapetrakan’ny tompon-tany any an-tobim-bolamena. Farany herinandro teo no nangalatra niasa ilay lehilahy iray, tao amin’ny tobin’i Bernard, any amin’ny kaominina ambanivohitra Beanana, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ka sendran’ny tsy teo ireo namany mpiara-miasa aminy. Iny rehefa lasa niantsikatra tao amin’ny ranon’ikopa iny ranamana, dia gaga ireo olona mpiara mitoby amin’izy ireo, raha mbola tsy nahatazana ny fiverenany sy tsy fipotrahany, avy ao anaty rano, nandritra ny ora maromaro. Teo no nifamoro nalaky ny fokon’olona mba hanao ny fikarohana azy tao. Rehefa natao ny fidinana tao anaty rano dia voantsindrin’ny vato tao ity farany. Nifandrobonana ny famonjena sy fanesorana azy tamin’izany, saingy efa vatana mangatsiaka no tazana teo amoron’ny fasika niasany. Taitra ihany koa ireo namana raha nahita ny fatin’ny nitsirara teo ambonin’ny fasika. Efa nomena ny havana moa ny razana hatreto.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici