- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversTobin’ny traboina : Misy mpanolana sy mpamosavy mihaodihaody

Tobin’ny traboina : Misy mpanolana sy mpamosavy mihaodihaody

Mandia fiainan-tsarotra tokoa ireo mponina eny amin’ireo toby nametrahana ireo traboina eto an-drenivohitra. Andohatampenaka, Ambohimanarina, Ankasina, Digue, Ankorondrano, Besarety … sy ny toerana hafa izay ahitana ireo tobin’ny traboina. Ankoatra ny areti-mifindra isan-karazany sy ny mety ho fihanaky ny aretina maro mantsy, dia mitaraina ny amin’ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana ihany koa ireo olona ireo. Raha ny fantatra mantsy, dia nahitana trangana fanolanana teny amin’ny tobin’ny traboina teny Andohatampenaka ny herinandro lasa teo. Araka ny vaovao voaray , nandritra ny fitsidihana fikambanana iray teny an-toerana no nitarainan’ireo mponina tamin’io tranga io. Ankizivavy kely iray 13 taona no niharan’ny herisetra ara-nofon’olon-tsy fantatra. Manampy ny hala-botry isan-karazany eny amin’ireny toerana ireny, raha ny filazan’ireo mponina hatrany. Tranga tsy mahagaga raha toa ka olona manodidina ny telopolo eo ho eo, fianakaviana any amin’ny enina any  mantsy no anaty tanty iray. Antitra, tanora ary zaza amam-behivavy saika mifangaro ao avokoa. Hany ka manamora ny fisian’izany tranga isan-karazany izany. Mbola eo amin’izay resaka fandriampahalemana izany ihany, mitaraina ireo traboina eny amin’iny faritra Ambohimanarina iny, ny amin’ny fisian’ny mpamosavy mihelingelina eny amin’ny faritra misy azy, ary indraindray dia mampitahotra ireo olona ao anaty tranolay mihitsy. Nandrenesana ny tranga toa izany ihany koa moa ny teny amin’ireo tobin’ny traboina eny Ankorondrano. Na dia efa nihamaina tokoa aza ny andro tato anatin’ny andro vitsivitsy izay, mbola tsy namparitra ny rano niandrona teny amin’ireo faritra iva sasantsany teto an-drenivohitra izany. Tsy mbola ato ho ato mihitsy araka izany ny hifindran’ireo mponina traboina any amin’ny toerana misy azy tsirairay avy any. Ka mila vahaolana haingana avy amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny amin’io resaka fandriampahalemana io.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser