Ny alin’ny alatsinainy teo no nongotana tanteraka ny anaran’ny Jly Richard Ravalomanana, fantatry ny maro amin’ny hoe « jeneraly bômba », nipetaka sy nampisalorana ny tobin’ny fari-piadidian’ny zandary eto Antananarivo, tetsy Ankadilalana. Ny maraina, taorian’ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Fibaikoana ny zandary, no efa nikonokonona nanala ny sarin’ny « jeneraly bômba » ireo tao amin’ny toby. Notohizina ny alina ny fanesorana tsikelikely ny anarany ary io tsy nisy afa-tsy ny soratra manondro ny maha « Fari-piadidian’ny zandary Antananarivo » io sisa. Tsiahivina fa ny 31 martsa lasa teo no napetraka tamin’ny fomba manetriketrika ny fampisalorana ny anaran’ity tobin’ny zandary ho amin’ny anaran’izany olona izany. Fito volana monja taty aoriana dia io nesorina io.
m.L





Zao no vokany raha mihevitra ny tenany tahak1 ny Andriamanitra velona ny manampahefana ka mihoapefy. Mihevitra ho masimandidy sy tompon’ny fahefana ary ho Andriamanitra kely mandrakizay mihitsy aza ka mahasahy mandatsak’aina sy mandatsa-drà ny mpiarabelona aminy mba hiarovany an’izany rehetra izany miaraka amin’ny voninahitra sy vola.
Aoka tsy hiandry ny fitsaran’Andriamanitra isika ka hisambotra azy, hanolotra ny fitsaràna an’io Jeneraly Bomba io, dieny izy mbola ety antany.
😂😂😂