- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversToby Ankaramalaza : Tambajotran-jiolahy ravan’ny zandary

Toby Ankaramalaza : Tambajotran-jiolahy ravan’ny zandary

Tato ho ato dia nirongatra tanteraka ny resaka halatra tao amin’ny fokontany nisy ny Toby Lehibe Ankaramalaza.  Anisan’ny lasibatra tamin’izany ny trano fitehirizana entana, izay nahaverezana fitaovana fanamboarana trano maromaro, toy ny loko, simenitra, hazo fisaka, “carreaux” ary vy. Raha ny voalaza dia efa saika fantapantatr’ireo tompon-trano niharan’izany halatra izany ireo olona mpanao io asa ratsy io. Saingy ny loza, dia misy amin’ireo olon-dratsy no olona akaiky amin’ny iray amin’ireo tompon’andraikitry ny Toby, raha ny angom-baovao azo. Araka izany, tsy vitan’ny fifandaminana ao anatiny intsony ny zava-nisy fa tsy maintsy niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana : ireo zandary avy ao amin’ny zanatobim-paritra Lokomby. Nisy ny fidinana tany an-toerana, ny sabotsy lasa teo, ary nametrahana paik’ady hisamborana ireto totakely ireto. Fitolahy, izay samy monina ao amin’ny fokontany Ankaramalaza, kaominina Vatana, distrikan’i Manakara,  voarohirohy tamin’ity resaka ity no nosamborina ary nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny zandary atao famotorana. Raha ny fampitam-baovao azo hatrany dia mbola misy olona ahiahiana ho mpiray tsikombakomba amin’ireo mpanao ratsy, sy voarohirohy tamin’ity resaka vaky trano ity no karohina fatratra. Tamin’ny fotoana nidinan’ireo zandary tany an-toerana mantsy dia tsy tratra teo an-tanana izy ireo. Voalaza fa efa nifindra lasy any Vohipeno. Efa mandeha moa ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. Ireo fitolahy voasambotra kosa dia mbola tazomina natao andrimaso tao amin’ny zandary. Raha tsy misy ny fiovàna dia anio no hatolotra eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici