dimanche, avril 20, 2025
AccueilFaits-DiversToby fivavahana : Voaheloka ny mpitantana noho ny fanolanana

Toby fivavahana : Voaheloka ny mpitantana noho ny fanolanana

Omaly no nandeha ny fitsaràna ilay raharaha fanolanana nitranga tao amin’ny toby fivavahana iray tetsy Avaradrano-Fiaferana. Samy vosazy roa taona an-tranomaizina miaraka amin’ny lamandy 500.000 ariary ilay mpitantana sy ny zanany lahy. Efa nidoboka am-ponja izy ireo talohan’ity fitsaràna notanterahina omaly ity. Raha tsiahivina dia tovovavy iray, 21 taona, no niharàn’ny filan-dratsin’izy ireo. Rehefa nandeha ny fitoriana ka navoakan’ny gazety an-tsoratra ny raharaha dia nahazo endrika fandrahonana ilay mpanao gazety. Tsy nilefitra io farany fa mainka nanamafy ny fanadihadiana ary nitarika ny fisamborana ny tompon’andraikitra teo anivon’ny toby. Omaly ihany dia niteraka resa-be teo anivon’ny tambajotran-tserasera ity raharaha ity. Nokianin’ny olona maro ilay didim-pitsaràna. Nifanandrify tamin’io koa mantsy ny fanasaziana folo taona an-tranomaizina ireo mpampianatra izay namaky fitaratra tao amin’ny sekoly manara-penitra tao Bealalana. Izy ireo dia nisy disadisa teo anivony ary noho ny hatezerana dia nanimba ny fananam-panjakana, fitaratry ny sekoly. Nisy ny fahadisoana saingy na izany aza, maro no nilaza fa mihoapapana ilay sazy, indrindra koa raha nahita ny sarin’izy ireo izay nosamborina toy ny jiolahy ka notampenana maso ary naparitaka tamin’ny tambajotra sosialy. Haingana ny olona dia nampitaha ny raharaha roa ka nahita fa tsy mifanandrify mihitsy ny fanasaziana avy amin’ny fitsaràna : roa taona ho an’ny mpanolana ary folo taona ho an’ny olona namaky fitaratra. Tato ho ato, tsikaritra fa manomboka sahy manakiana ny didim-pitsaràna ny olona, indrindra fa ny tsy fanatontosàna ny didy navoaka na koa ny fiovaovan-kevitry ny manam-pahefana eo amin’io sehatra io.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici