- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversToby Ratsimandrava : Jeneraly no tompon’ilay « camion » nitondra « palissandre...

Toby Ratsimandrava : Jeneraly no tompon’ilay « camion » nitondra « palissandre »

Notanterahina tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava  omaly, ny tatitra momba ny seho niseho farany tamin’ity volana ity.

Voaresaka ny raharaha mafampana tato ho ato. Notanisaina tamin’izany ny seho nitranga tamin’ny 4 aprily lasa teo izay nisiana « camion » anankiroa nitatitra hazo sarobidy, izay tsipihina etoana fa tsy « bois de rose » akory fa « palissandre”. Ny iray moa dia nanana taratasy ara-dalàna fa ilay faharoa kosa no tsy nanana taratasy. Teny an-dalana dia ambetin-tenin’ireo mpamily hatrany ny hoe Jeneraly ao amin’ny zandary no tompon’ny hazo ka rehefa natao ny fanadihadiana dia voaporofo fa misy tokoa ilay jeneraly saingy kosa mpiara-miombona antoka amin’ilay famatsiana hazo mpanao fanaka iray eto an-drenivohitra. Ary notsipihin’ny lehiben’ny CIRGN Analamanga fa tokony tsy hisy ny « trafic d’influence » fa mitovy daholo eo ambanin’ny lalàna ny rehetra.

Teo ihany koa ny fahatratrarana vola sandoka tany Toamasina izay mitentina 4 tapitrisa Ar miaraka amin’ny solosaina sy fitaovana maro fanamboarana izany.

Voatanisa teo ihany koa ny fakana vola ataon’ny zandary sasany eny amin’ny fanakanan-dalana, toy ny niseho tany Sakaraha sy ny tetsy Ambohimangakely farany teo, izay nanaovan’olona tatitra tany amin’ny borigadin’ny zandary ka nanaovana ny fidinana teny an-toerana ary nanasaziana ireto zandary tratra ireto. Ady amin’ny kolikily no atao ary nandray fepetra ny zandarimariam-pirenena amin’izao fa hajanona aloha ny fanakanan-dalana ivelan’ny tanàna mba hialana amin’ity resaka kolikoly ity sy ny mety ho fisian’ny fanararaotana ataon’ny sasany ihany koa.

ALEM

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser