Nifarana ny alarobia 7 may teo ny fivoriana tao amin’ny Toby Ratsimandrava nataon’ny Tobim-paritra isan’ambaratongany avy teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena sy ny solontenan’ny avy any amin’ny faritra enina manerana ny Nosy, izay teo ambany fitarihin’ny Sekreteram-panjakana ao amin’ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly de division Paza Gérard Didier. Anisan’ny voatsipika tamin’izany ny « Operatiopn coup d’ arret », ady atao amin’ny asan-dahalo izay nirongatra tokoa tato ho ato ka hijerena ny fomba haingana enti-manana amin’izany eo anoloan’ny zava-misy. Efa vita resaka tamin’ny filoham-pirenena moa izany fa ny fanatanterahana azy sy ny famatsiana fitaovana sisa andrasana, ary maika satria tobim-paritra no hapetraka any atsimo ho fiadiana sy hamongorana ny halatra omby.
Teo ihany koa ny tetikady vaovao entina miady amin’ny kolikoly ka hatsangana amin’izany ny rafitra manokana miady sy misahana an’izany. Ary namaranana ny tatitra ny momba ny tambin-karama izay tena mbola ambany tokoa amin’ny fifanatrehana amin’ny asan-jiolahy , tena mbola ambany tokoa ny vola raisin’izy ireo. Hokarohina miaraka amin’izany ny vahaolana entina manatsara sy manavao ny fomba fiasa.
ALEM