Ny alatsinainy 19 may no nihaona tamin’ireo tompon’ andraikitra ambonin’ny mpitandro ny filaminana ao antin’ny EMMO/NAT , ny minisitry ny fiarovam-pirenena sy ny minisitry ny filaminam-bahoaka ary ny sekreteram-panjakana eo anivon’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena misahana ny zandarimariam-pirenena. Notsindrina manokana tamin’izany ny fanatsarana hatrany ny fandriampahalemana manerana ny Nosy. Nomena tamin’izany ary ny toromarika sy ny paikady manokana hoentina miady amin’ny tsy fandriam-pahalemana misy amin’izao fotoana izao. Ady amin’ny asan-dahalo any atsimo, fiarovana ireo harem-pirenena(andramena), ady amin’ny fanafihan-jiolahy maro samihafa eto an-drenivohitra.
Nanome toky sy nanamafy ny fahavononan’izy ireo ka tsy hikely soroka hanao izay tratran’ny heriny eo amin’ny fitandroana ny filaminana mba ho fiarovana ny ain’olona sy ny fananany ary ny andrim-panjakana izy ireo.
Ho fanamafisana ny firaisan-kina eo amin’ny samy mpitandro ny filaminana ary dia nofaranana tamin’ny famonoana omby sy ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana ny fihaonana.
ALEM