Roa izy ireo no nohadihadiana teny anivon’ny mpitandro filaminana mahakasika ny resaka fanaratsiana sy fanelezana vaovao tsy marina tao anaty tambajotra sosialy. Ilay olona tomponantoka tamin’ilay ranty (publication) voalohany sy ny tompon’andraikitra misahana ny vondrona niparitahan’izany. Herinandro maromaro tokoa no niparitaka tao anaty tambajotra sosialy ny mahakasika ilay toerana fandraisana lanonana iray tetsy Bypass. Fanaratsiana sy fanalàna baraka ranofotsiny ity toerana ity sy ny tompon’izany no tao anatin’ireo ranty ireo. Ary voalaza aza fa toa hoe, tonga hatramin’ny fandrahonana ny tompony sy fitarihana olona hanapotika izany toerana izany mihitsy ny sasany. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana ilay lasibatra teo anatrehan’izany. Nosokafana ny fanadihadiana ny faraparan’ny taona teo. Marihana fa kaonty tsy izy na « compte fake » no nanaparitaka io ranty voalohany io. Rehefa natao ny fikarohana dia fantatra fa vehivavy iray no tao ambadik’izany, izay tompon’ny toerana fandraisana lanonana ihany koa ary rehefa nisy ny famotorana dia voalaza fa zavatra tsy marina no niniany naparitaka. Tetsy andanin’izay, voatery nosamborina sy nohadihadiana ihany koa ny mpitantana ilay vondrona niparitahan’izany. Raha ny lalàna mantsy dia tompon’andraikitra feno amin’ny ranty mivoaka anaty ny vondrona tantanany izy. Mbola mitohy moa fa tsy mijanona eo ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. Andrasana araka izany ny mety ho tohiny.
Nangonin’i m.L