- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversToerana tsy azo ifohana sigara : Tsy voafaritr’izany ny eny an-dalambe

Toerana tsy azo ifohana sigara : Tsy voafaritr’izany ny eny an-dalambe

Voalazan’ny loharanom-baovao marim-pototra fa mpitandro filaminana roa no nanakana teratany vahiny nifoka sigara teny an-dalambe, teny amin’iny faritra Alarobia iny, taorian’ny fampiharana ilay didy mahakasika ny fifohana sigara, ny zoma lasa teo. Araka izany dia mitàna ny sain’ireo mpanara-baovao mihitsy ity didy navoaka efa ho herintaona lasa ity, saingy mihatra ankehitriny. Ny avy amin’ny polisim-pirenena hatreto aloha no fantatra fa isan’ny mampihatra iny lalàna iny, toa ireo lalàna velona rehetra misy, ka anisan’ireo mpanasazy ho an’ireo izay mpandika lalàna, raha ny voalazan’ny Talen’ny filaminam-bahoaka eo anivon’ny pôlisim-pirenena. Tsy mbola misy kosa antontan’isa mazava momba ireo olona voasazy, voaray satria mbola vao vitsivitsy izay no nampiharana ilay didy, raha ny voalazany hatrany. Nanambara ihany koa ity tompon’andraikitra ambony ity fa ireo toerana voafaritra ao anatin’iny didy iraisan’ny ministera iny ihany no voakasik’izany tsy fahazoana mifoka sigara izany. Anisan’izany ireo toerana misy fivoriam-bahoaka, toy ny tsena, ny zaridaina, ny kianja, ny fiantsonana, anaty fiara fitateram-bahoaka. Raha ny momba an’ilay vola aloa, lamandy 2.500Ar, ho an’izay mandika lalàna dia nanamarika ity tompon’andraikitra ity fa tsy maintsy misy ny taratasy fanamarinana mazava omen’ny mpitandro filaminana nanao izany fanasaziana izany. Ny ankoatra an’izay, izay trangana kolikoly, dia manainga ny tsirairay hilaza izany eny amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana akaiky azy. Fantatra, araka ny loharanom-baovao marim-pototra ihany, fa mety hisy borigady hiarahan’ny pôlisy sy ny zandary, hisahana manokana ny fampiharana ity didy mandrara ny fifohana sigara amina toerana be olona ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser