- Publicité -
vendredi, juin 6, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Tokatrano voatafika, naratra ny tompon-trano lasa ny volabe

Toamasina : Tokatrano voatafika, naratra ny tompon-trano lasa ny volabe

Ilay trano voatafika.

Trano iray voatafika tao Ambalamanasy Carreaux 3 Toamasina, ny alahady teo tokony ho tamin’ny 3 ora maraina. Nidiran’olona dimy tsy fantatra manao sarontava niaraka tamin’ny sabatra lava lela, laser Ary barre pince. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny vola mitentina 4 400 000 ariary sy finday telo. Nisy naratra kely teo amin’ny tongotry ny tompon-trano. Narindra nanao sakana daholo ireo zandary rehetra manao fisafoana amin’ny alina manodidina rehetra niaraka tamin’ny ESI izay efa tany an-toerana nandritra ny alina niaraka tamin’ny komandin’ny tobim-paritra Taomasina. Nitsoaka nianatsimo nahazo ny carreaux 2 ireo olon-dratsy ireo. Mitohy ny fikaroham-baovao sy fanadihadiana hitadiavana ireo olon-dratsy ireo. Ny vondron-tobim-paritra Toamasina no nomena baiko handrindra ny hetsika rehetra hahatratrana io tambazotra mpamaky trano io. Amin’ny ankapobeny, milamindamina n’y ao Toamasina. Manamafy ny hetsika hatrany anefa ny mpitandro filaminana amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy. Tao anatin’ny andro maromaro, tsapa fa nihena ireo asan-jiolahy mahery vaika mampiasa fitaovam-piadiana tao Toamasina. Na izany aza, misy ihany koa ireo fiparitahan’ny zava-mahadomelina ao Toamasina ao. Maro ny tanora roboka amin’izany. Efa mandeha ny hetsika ady amin’izany amin’izao fotoana izao. Antenaina fa ahitam-bokany izany hetsika izany.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici