- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversTolagnaro : Ankizivavy 12 taona bevohokana mpitondra fivavahana, nitory ny ray aman-dreniny

Tolagnaro : Ankizivavy 12 taona bevohokana mpitondra fivavahana, nitory ny ray aman-dreniny

Mampisy sary ratsy ny fiangonana ny toetra ratsy sy fitondran-tenan’ ireo mpitondra fivavahana sasany amin’izao. Zazavavikely vao 12 taona monja no voalaza fa naolana mpitondra fivavahana ka bevohoka, tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Manantenina, Distrikan’i Tolagnaro, Faritra Anosy. Rehefa fantatry ny ray aman-drenin’ny zaza, fa ity olona ity no nampitoe-jaza ny zanany dia nitory izy ireo, ary teo no niezaka nangataka hanao fifanarahana ity voalaza fa nanolana ary vonona hiantoka an’ilay ankizivavy sy ny zanany, ka nanaiky ny rainy. Nihemotra tsy nety nanao an-taratasy fifanarahana nifanaovana indray ity mpitondra fivavahana ity, ary nilaza izy fa manala baraka sy manendrikendrika azy ny ray aman-drenin’ilay zaza ka notoriany. Teraka soa aman-tsara rakalakely ankehitriny, ary mitohy foana saika isan’andro ny antsonjay sy fandrahonana samihafa mihatra aminy sy ireo nahitany masoandro, satria milaza ity olom-piangonana voatondro ho mpanolana zaza tsy ampy taona ity, fa tsy azo kitikitihana hono izy, ary manana namana olona ambony maro miaro azy, ka tsy fatina fianakaviana mahantra io no hampihotsona ny volomasony. « Akombony ny vavanao », hoy izy tamin’ny rain’ilay zaza. Manao antso avo amin’ny ambaratonga mahefa ny ray aman-drenin’ilay zaza nosimbaina sy nopotehina fiainana ity, sy ireo mponina any an-toerana tezitra amin’ny fomba ratsin’ity lehilahy ity, ary samy nilaza izy ireo : “ mba ho faizina faran’ izay mafy fa tsy mendrika ho mpitondra fiangonana ary manimba ny ara-panahin’ny kristianina ity, satria lasa toa fialokalofan’ olon-gegy ny fiangonana “. Araka ny loharanom-baovao marim-pototra voaray, mba hisorohana ny fitsaram-bahoaka, dia efa nafindra niala tao Manantenina ity olona voalaza fa nanolan-jaza ity.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici