- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversTolagnaro : Fiara mitondra toaka gasy tazanim-potsiny

Tolagnaro : Fiara mitondra toaka gasy tazanim-potsiny

Gaboraraka tanteraka ny fivezivezen’ny toaka gasy amin’iny distrikan’i Faradofay. Saika isan’andro na isaky ny talata, fotoan’ny tsena ao Ivorona-Ifarantsa no itrangan’izany. Fiarabe iray feno toaka gasy entina amin’ny “bidons” am-polony maro no miakatra ao Anôsy.  Ny fotoan’ny tsena no anararaotan’ireo mpanao ratsy izany. Tsy tahotra tsy henatra amin’ny antoandrobe nanahary, mandeha hoazy ny fitondrana ny zavamahadomelina. Ireo mpitandro filaminana (pr) mpandrindra ny fifamoivoizana ,efa mampikolay ny maro.  Ny talata teo, fiarabe iray raha avy namonjy tsena, feno toaka sahabo ho 50 bidons izay misy 20 litatra ny iray no nentiny. Mitotaly eo amin’ny 8-barika raha atao ny kajikajy. Tody soa aman-tsara, tsy misy fanelingelenana tamin’ny toerana nitondrana azy ireo  entana. Olana sedrain’ny mpandeha efa ho an-taonany maro, mifangaro ao anatin’ny fiara avokoa na ny vorona, na ny entana maro samihafa toy ny akondro,ny balahazo. Atahorana ny mety hisehoan’ny loza tsy ampoizina. Manaitra ny tomponandraikitra , hampihatra ny sazy tandrify ireo manao ny tsy fanao  ary, hamela malalaka ireo mpanao fitanterana vonona,  hanao ny asany amin’ireo zotram-pifamoivoizana

Rom Farady

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser