- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversTolagnaro : Kamiao mpitatitra olona nivadika, 13 maty, 25 naratra

Tolagnaro : Kamiao mpitatitra olona nivadika, 13 maty, 25 naratra

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tao Tolagnaro, ny sabotsy 13 oktobra teo. Nandriaka tokoa ny rà, satria raha ny isa farany nampitain’ny zandary avy any an-toerana dia nahatratra 13 ireo namoy ny ainy. 25 kosa no naratra. Tamin’ny 6 ora sy 38 minitra no nitranga ny loza. Kamiao Mercedes Benz 1617 iray nitatitra olona avy any amin’ny kaominina Isaka ho any amin’ny kaominina Soanierana no nivadika tamin’ny sisin-dalana, raha niala làlana teo amin’ny fokontany Ambatomivarina, ao amin’ny kaominina Farantsa, 20km miala an’i Tolagnaro. Vokany, olona 8 no maty teo no ho eo ka zazakely 4 taona ny iray. 29 no naratra mafy ka ny 7  tsy nahatsiaro. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny Zandary raha vao nandre ny vaovao ka namonjy ireo naratra sy nitatitra azy ireo tany amin’ny Hôpitaly be (CHRR) Tolagnaro sy nanao « constat ».  Indrisy anefa, fa maty teny an-dàlana ny maratra iray. Nitombo indray izany isa izany rehefa tonga teny amin’ny hôpitaly ka nahatonga io isa 13 voalaza etsy ambony io.

Araka ny loharanom-baovao dia nandositra ilay mpamily, saingy raha vao nitranga ny loza. Niverina ihany anefa izy rehefa nezahan’ny Zandary natsoina tamin’ny findainy ka efa voatana ao amin’ny Zandary ao Tolagnaro mba hofotorana. Ny fanadihadiana azy no nahalalana, fa efa nanao lozam-pifamoivoizana toy izao ity mpamily ity volana vitsivitsy talohan’izao ka efa nosintonina taminy ny taratasy fahazoany alalana mitondra fiara na « permis de conduire ». Kanjo izao izy niverina nanao ny tsy mety izao indray rehefa naverina taminy izany « permis » izany.

Efa nandray ny andraikiny ihany koa ireo manam-pahefana ao amin’ny OMC any an-toerana momba izay rehetra fombafomba fanao amin’ny maha-Malagasy noho ny fisiana fahafatesan’olona toy izao.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici