- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversTolagnaro - Kaomina Ampasimena : Fanodinkodinana omby halatra,any am-ponja ny Ben'ny tanàna...

Tolagnaro – Kaomina Ampasimena : Fanodinkodinana omby halatra,any am-ponja ny Ben’ny tanàna

Tsy zakan’ny vahoaka any amin’ny kaomina ambanivolo ny fihetsika nataon’ireo mpitantana ny kaomina. Araka ny loharanom-baovao azo antoka, resaka fanavahana omby very no antony. Omby (04) no very ary nanjavona rehefa tonga tao amin’ny kaomina ambanivolon ‘Ampasimena. Manoloana izany dia nandray ny andraikitra ny heveriny fa hamaha ny olana ny tao amin’ny kaomina iray ity. Nasaina nanavaka omby 100. Tanteraka soa aman-tsara. Nahagaga fa rehefa ao ireo omby ireo nifampizaran’ireto tompon’andraikitry ny kaomina. Sorena manoloana izany ny fokonolona ary niray hina nitondra ny raharaha tany amin’ny manampahefana tany Fort Dauphin. Nandray ny andraikiny avy hatrany ka nampiantso azy telo lahy. Taoriana ny fakana an-bavany, nampidirina am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana. Etsy ankilan’izany naverina any tamin’ny tompony ireo omby. Herinandro lasa no nisehoan’izany. Tao anatin’izany, zary kamboty tsy misy mpiahy ny vahoakan’Ampasimena. Tsy mandeha amin’ny laoniny ny asa fampandrosoana. Mitaky sy mangataka ny hanendrena Pds toy ireo kaomina hafa ny vahoaka, mba hitohizan’ny asa.

RFa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser