- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversTôlagnaro : Miakatra ho 800Ar ny vidin’ny atody iray raha telonjato izany...

Tôlagnaro : Miakatra ho 800Ar ny vidin’ny atody iray raha telonjato izany herinandro lasa

Miova ny vidin’ny entana ilain’ny mponina andavandro amin’iny distrikan’i Tôlagnaro iny. Izany dia vokatry ny rotsak’orana be loatra. Iray amin’izany ny vidin’ny atodim-borona. Raha 300Ar ny vidin’ny atody iray, andro vitsivitsy lasa ,niakatra ho 800Ar izany amin’izao fotoana. Tsy ahitana atody firy ao an-drenivohitra Anôsy. Ny atody tonga any an-toerana dia saika atodim-borona avy eto an-drenivohitra avokoa. Manararaotra araka izany ireo mpivarotra

Saribao sy kitay. Misy fiantraikany amin’ny vidin’ny saribao ny faharatsian’ny andro. Amin’izao fotoana, efa miakatra ho any amin’ny iray alina ariary ny iray gony raha efatra arivo izany teo aloha. Mbola vao manomboka anefa ny fahavaratra, ka atahorana ny mety hiakaran’izany any amin’ny 20 000Ar. Amin’ity akora iray ity dia antony maro no mahatonga izany, ankoatra ny rotsak’orana. Efa mihalany ringana ny hazo fanamboarana saribao sy ny hazo kapaina hatao kitay, manginy fotsiny ny hazo atao planches (hazo fisaka anamboarana fanaka sy trano). Amin’ireo kaominina manodidina fakana kitay sy saribao dia efa tapahin’olona ihany koa ny voankazo toa ny kily sy ny manga ary ny letisia hanamboarana saribao. Mampanahy ny hoavin’ny faritra raha tsy misy ny fandraisana fepetra hentitra ataon’ny daholobe, indrindra ny tomponandraikitra.

Rom Farady

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser