Voatery nipetraka an-katerena. Olana teo amin’ny motera no nitranga teny am-panidinana raha niala tao Ford-Dauphin ilay fiaramanidina kely an’ny orinasa tsy miankina. Teo amin’ny 68 kilaometatra niala ny seranam-piaramanidina no nahita ny mpanamory fa misy menaka miforitika avy ao anaty motera ary nandeha teny amin’ny fitaratra avy hatrany. Omaly tokony ho tamin’ny valo ora mahery no nitranga izany ary nanapa-kevitra ilay mpanamory izay sady mpampianatra manamory ny nampidina ny fiaramanidina an-tanety, eny amin’ny toerana izay mba mahintsihitsy. Teo akaikin’ny lalam-pirenena faha-12 no tafajanony ny fiaramanidina ary tsy nisy ny aina nafoy na koa ny naratra. Velon’aina avokoa ireo olona roa tao anatiny raha simba kosa ny roplanina. Raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny ACM dia nizotra ho aty an-drenivohitra mba handalo fikojakojana io roplanina MX-17 io. Raha tsiahivina dia vao tamin’ny herinandro lasa teo no namono olona ny fianjeran’ny roplanina an’ny orinasa tsy miankina rehefa nianjera tany Andilanatoby.
D.R