Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tany amin’ny lalam-pirenena faha-12 (RN12A) mampitohy an’i Vangaindrano sy Tolagnaro. Fiara iray nitondra mpandeha manodidina ny 25 olona eo sy entana navesatra niainga tao Manantenina, ka nilaozan’ny hisatra tao Iaboakoho, no nikodia ka nivarina tany anatin’ny reniranon’ Iaboakoho, lalana mankany Faradofay, afak’omaly hariva. Rendrika niaraka tamin’ny entana tao tsy afa-niala nanavotra aina intsony ny mpandeha roa, ka maty sempotra, ary omaly vao hita ny razana. Noho ny haratsin’ny lalana, kanefa ny ankamaroan’ireo fiara mitatitra tsy ampy fikojakojana sady manao taingim-be mba hahazoam-bola amboniny ho an’ny mpamily, no voalaza fa matetika miteraka ny loza, ary tsy vao izao, raha ny tati-baovao voaray, no nitrangana lozam-pifamoivoizana toy izao eo amin’ity renirano masia-boay sady voalaza fa misy lolo malaim-bahiny ity.
Eric Manitrisa