- Publicité -
vendredi, septembre 19, 2025
AccueilFaits-DiversTolagnaro : Trano telo lehibe levon’ny afo, entana an-tapitrisany maro lasa lavenona

Tolagnaro : Trano telo lehibe levon’ny afo, entana an-tapitrisany maro lasa lavenona

Nitrangana hain-trano nahatsiravina indray tao Tolagnaro tampon-tanàna, renivohitry ny Faritra Anosy, afak’omaly alina tokony ho tamin’ny 11 alina, tao amin’ny fokontany Tanambao Besonjo (ambadiky Epp), ka trano telo lehibe ahitana efitra miisa folo no indray may kila hotohoton’ny afo, ary lasa lavenona avokoa ny entana rehetra mitentim-bidy an-tapitrisany maro. Raha ny fantatra dia mpanofa samihafa isaky ny efitra no nipetraka tao amin’ity trano niharan-doza ity. Ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka mahakasika an’ ity hain-trano ity ny mpitandro filaminana amin’izao, fa hatreto, araka ny fampitam-baovao azo farany, dia tsy mbola voafaritra mazava ny antony nahatonga ny firehetra.

 Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici