Teo am-pvidianana fia tao amin’ny tsena-Tanambao ny alarobia maraina no tratran’ny tsy nampoizina ity vehivavy antitra tokony ho 60 taona eo. Avy nahazo vola izy io no sendra niantsena. Teo am-pividianana entana iny indrindra izy no hitan’ireto andian-jatovo. Tsy nisalasala ireto dimy mirahalahy naka ny vola tany am-paosiny. Vao azony ny vola ,avy hatrany dia nandositra. Tratra ireo roalahy ary nentina tany amin’ny tobin’ny zandary Tanambao nanaovana famontorana. Ny telo hafa tsy mbola hita ny nanjavonany miaraka tamin’ny vola. Marihina fa efa matetika ireto tanora ireto no mangarom-paosy mangalatra ao amin’ny tsena Tanambao ity. Efa maro no nitondra faisana. Ny fanadihadiana hataon’ny zandary no hampivoaka ny tsiambarantelon’ny halatra ao an-tsenan’i Tanambao ity. Tao anatin’ny herinandro efa mananika ny telo any ireo mpangarom-paosy tratra Ny mailo ihany no tokony hatao.
Rom Farady