- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025

Toliara

Tovovavy iray niharan’ny fanolanana tambabe sady voaendaka

Tovovavy iray 24 taona no naolan’ny telolahy tambabe, ny alin’ny talata teo, tany Toliara. Niezaka niantso vonjeo ny niharam-boina saingy tsy nisy nahare sady tsy nanana hery noentina nanoherina intsony ka dia niaritra irery teo fotsiny ny asa ratsin’ireto lehilahy telo. Rehefa vita ny herisetra ara-nofo mamohetra dia nesorin’ireo mpanolana avokoa ny akanjony rehetra teny amin’ity tovovavy ity. Tako-kenatra sisa nentina nody alim-be, ary nanjavona ihany koa ny finday. Raha araka ny loharanom-baovao voaray dia niara-nirevy tamina trano filanonana iray izy efatra ireo, ka rehefa hitan’izy telolahy ireto efa dizin’ny toaka ilay tovovavy izay mbola nahatsiaro saina tsara, dia naterin’izy ireo hody tany an-tranony, ka teny an-dalana tamina toerana maizina sady nangina dia nanamparan’izy ireo ny filan-dratsiny.

Sipany taloha ny iray

Raha ny fantatra, araka ny loharanom-baovao hatrany, dia sakaizan’ity tovovavy ity taloha ny iray amin’ireo lehilahy nanolana azy. Noraran’ny ray aman-drenin-drazazavavy tsy hiaraka izy roa ireo noho ny olana amin’ny resaka ady tany nitarika fifandrafiana teo amin’ny fianakaviana roa tonta, nefa mbola nifankatia sy niaraka niafina teny ihany nandritra ny volana maromaro. Voatery nalefa taty an-drenivohitra mihitsy ity tovovavy ity mba hisaraka tanteraka amin’ny olon-tiany, nefa izao tratry ny fanolanana tambabe izao rehefa nandeha niala sasatra hamonjy fetin’ny pentekoty tany Toliara. Nanamarika ny loharanom-baovao, fa tetika efa vita sy voaomana mialoha noho ny valifaty izao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici