- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Adala nanolana zazavavy 11 taona, saika matin’ny olona

Toliara : Adala nanolana zazavavy 11 taona, saika matin’ny olona

Saika isan’andro, ahenoana trangana fanolanana zaza tsy ampy taona foana tato ho ato. Omaly antoandro tany Toliara, dia ankizivavy 11 taona mpianatry ny EPP avy nianatra handeha hody no naolana lehilahy iray voalaza fa adala. Nenjehiny ary tsy namelany raha tsy tratrany ity zazavavy ity. Nobedainy avy eo, ka iny izy hanatanteraka ny filan-dratsiny tamin’ilay zaza no nisy nidaroka. Saika nanaraka hatramin’ny ainy raha nisy kely, noho ny hatezeran’ny olona. Raha ny vaovao voaray sy ny fanazavana azo nandritra ny angom-baovao, dia tsy vao izao i « Rambo » izay ny fiantsoan’ny olona azy, no manao fihetsika sy toetra mamoehatra toy izao, fa isaky ny mamon-drongony ity lehilahy ity, dia mamoa-doza foana. Sendra ny nahay azy tamin’ity indray miitoraka ity fa ela nisariana adala loatra, hoy ireo mponina ao amin’ny fokontany Tsimenatse, sendra anay.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser