Raha ny vaovao farany azo omaly antoandro, dia mbola tsy niravona ny disadisana tovolahy roa mpinamana , niady sipa (nifangalatra sipa) nifanao totohondry tao am-piangonana ny alahady teo, tany Toliara. Lasa adin’ny fianakaviana ny raharaha ankehitriny, satria milaza ho samy manana ny marina ny roa tonta ka mifampihantsy, ary ahiana ny ady saritaka mety hiafara amin’ny rà mandriaka. Tsiahivina fa talohan’ny fotoam-bavaka ny alahady teo, dia rafitra ny ady teo amina tovolahy roa. Nitohy tao am-piangonana ny fifamaliana niafara tamin’ny totohondry. Tsy nanaiky ny fianakavian’ny iray vaky vava nivoa-dra, na dia teo aza ny fanelanelanana nataon’ny mpitantana ny fiangonana. Raha ny loharanom-baovao, dia tsy vao sambany no nisy sakoroka tao amin’ity fiangonana ity. Tongo-bakivaky sady maharary no mahamenatra !
Eric Man