- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversToliara : Ady sipa teny an-tsenan’omby, roa lahy nifanindrona antsy

Toliara : Ady sipa teny an-tsenan’omby, roa lahy nifanindrona antsy

Resaka sipa ary samy tsy te-ho gisitra ! Lehilahy roa no nifamono nifanindrona antsy ny asabotsy teo, tao Andranomena Toliara, akaikin’ny tsenan’omby. Vokany, samy naratra, fa ny iray no hita tena voa mafy, ka tsy maintsy nentina haingana notsaboina. Araka ny angom-baovao dia tovovavy tsy dia manao ahoana loatra no nampifandramatra azy roa lahy ireto. Tsy nijanona tamin’ny fifamaliana am-bava intsony ny raharaha, na dia nisy aza ray aman-drenibe iray teo niezaka nanelanelana. Raikitra ny fifampikasihan-tanana ary samy namoaka sy nampiasa ny antsy teny am-balahany izy roa.

Raiki-tahotra izay nahita ary nisy ny vaky vava nilaza fa resaka vehivavy ve no ifamonoana toy izao ? Ny sipakely eny amoron-driaka mitsiry toy ny anana. 700 ariary dia efa mahazo, ka maninona raha eny no maka, fa tsy mifamono toy izao ! Matetika amin’ny tranga toy izao, any atsimo any, dia vitan’ny raharaham-pihavanana foana, aorian’ny kabary ambany kily. Izay resy mandoa omby na vola, dia mamerin-keloka hatrany ny tsy maty voalavo an-kibo.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser