Tovolahy iray 21 taona no saika matin’ny hatezeram-bahoaka tao Toliara, ny harivan’ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny fito ora latsaka kely. Noho ny resaka sipa, lehilahy roa samy vao erotrerony samy mamomamo no nifamaly tao anaty « bar » iray. Tsy nahatsindry fo sy taim-bava ny iray ka nandray tavoahangy ary namely ny rafilahiny. Nijininika ny ra ary vaky loha ity farany. Zandrin’ilay naratra handeha hividy sigara no nahita an-jokiny nihosin-dra, ka niantso ny fianakaviany, izay monina tsy lavitra teo. Raikitra ny sakoroka. Naratra sy nioritra tanana noho ny daroka nahazo azy ilay namely tavoahangy.
Nandoa Ar 7 alina. Raha tsy nalaky tonga ny teo amin’ny fokontany nandamina ny raharaha haingana dia asa izay nahazo an’ity lehilahy namono ny rafilahiny ity, satria efa lian-dra vonona hamono ny havan’ilay vaky loha. Noho ny fomban-tany misy sy hitsaboana an’ilay tovolahy vaky loha, nandoa vola fito alina ariary tamin’ny rafilahiny ilay lehilahy namono, raha ny fanazavana azo nandritra ny angom-baovao. Maso mahita no ilazana fa matetika ary mampalahelo fa ny amin’ny tranga toy itony ao Toliara sy ny manodidina ao, dia vitavita mora foana amin’ny raharaham-pihavanana sy vola ny resaka, fa vitsy ihany no sahy mitory any amin’ny mpitandro filaminana, na eny amin’ny fitsarana. Matetika mamerin-keloka foana tsy fa mety fay mihitsy ny mafy hatoka, ary valitafy foana no haterak’izany.
Manitrisa



