Taorian’ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana sy ny didin’ny Fitsarana nilatsaka, izay manome baiko mandroaka an’ireo fianakaviana maherin’ny telo arivo, voalaza fa mibodo ny tanin’ny oniversiten’i Toliara mirefy 325 ha ao Maninday, ka tsy maintsy miala eo amin’io tany io ireo mponina . Raikitra indray ny savorovoro mahakasika ny olana ady tany ifandroritana ity. Tsy mankasitraka io fanapahan-kevitra io ireo mponina ao Maninday, ary nilaza nahitsy izy ireo fa tsy hiala amin’ny taniny mihitsy na dia hisy rà mandriaka sy faty olona hikarana aza. “ Izahay tsy hiala eto, ary mila maty ambonin’ny taninay io izahay “, hoy Rtoa Razafy Ramora Raymonde. Nanambara kosa ny filohan’ny Fimpanama, Mahataviky Freda, fa “ Ny oniversite dia tsy manana tany ary tsy tompon’ny tany izany, satria ny Fokonolona mpanamaintimolaly no nanome tany ny oniversite rehefa nangataka tany hanorenana ny oniversite ny filoha Didier Ratsiraka ny taona 1982, ka nahoana no manao taratasy fandrahonana sy sahy mandroaka anay vahoaka amin’ny taninay ny oniversiten’i Toliara ankehitriny “. Mba hisorohana ny ady saritaka, dia mangataka amin’ny fitsarana ny fampiatoana ny raharaha ny avy ao amin’ny fikambanan’ny mpanamaintimolaly ny tany, izay ivondronan’ ireo fianakaviana efatra arivo, ary miantso ireo tomponandraikitra ambony ihany koa izy ireo hamaha ny olana haingana.
Eric Manitrisa