Noho ny fanesorana an’ireo mpivarotra amoron-dalana manamorona ny RN9, ao amin’ny Fokontany Tsongobory Toliara, ampita atsinanan’ny tobim-piantsonan’ny taksiborosy mianavaratra, dia raikitra vao naraina ny sakoroka, satria tsy nanaiky mora tamin’ny fanesorana azy ireo mpivarotra, ka nidina an-dalambe nilanja sorabaventy. Noho ity fitokonana nanapa-dalana ity dia voahelingelina ny fifamoivoizana, ary maro tamin’ireo mpampiasa ny lalampirenena fahasivy no sorena, ka nandray ny andraikiny avy hatrany ireo mpitandro filaminana tonga marobe teny an-toerana. Raha ny fanazavana azo, tsy manaja ny fepetra napetraky ny Fiadidiana ny tanàna miala 15 metatra amin’ny lalam-pirenena fahasivy ireto mpivarotra amoron-dalana, ka raikitra ny disadisa sy fifandirana am-bolany maro, ary niafara tany amin’ny Fitsarana ny raharaha. Taorian’izay, namoaka didy ny fitsarana, ka resy ireto mpivarotra, ary notanterahin’ny vaditany niaraka tamin’ny mpitandro filaminana sy ny avy ao amin’ny Kaominina omaly ny didim-pitsarana tsy maintsy manaisotra an’ireo mpivarotra miisa 35 mpibodo tany.
Fandrobana. Ny tapak’andro naraina, noho ny tahotra amin’ny mety hisian’ny fandrobana, dia nanidy tsena avokoa ny mpivarotra rehetra. Taorian’ny fifampiresahana tamin’ireo olombe to teny, dia nanaiky niala avokoa ireo mpitokona nilanja sorabaventy, ka maro tamin’ireo mpivarotra amoron-dalana no nanaiky niala, ary nandrava avy hatrany ny trano fanitso toeram-pivarotan’izy ireo. Rehefa nilamina tanteraka ny toe-draharaha, tokony ho tamin’ny mitatao vovonana, vao samy sahy nanokatra tsena daholo ireo mpivarotra manodidina an’ ity toeram-piantsonan’ny taksiborosy ity. Raha ny loharanom-baovao mari-pototra voaray, hanaovana fotodrafitrasa goavana ho tombontsoan’ny be sy ny maro ny eo amin’ity tany mirefy 28 ara 71 ca ity.
Nahoda