Raikitra ny gidraka omaly naraina tao Sanfily Toliara, ampitan’ny fiantsonan’ny taksiborosy zotra nationaly mankaty an-drenivohitra, tamin’ny fanalana sy amin’ny handravana an’ireo trano fivarotana roa amoron-dalana, satria ilain’ny tompony ny tany. Tsy nanaiky niala sy handravana fananany ireo mpivarotra, na dia tonga teny an-toerana aza ny vadin-tany niaraka amin’ny mpitandro filaminana hanatanteraka ny didim-pitsarana nivoaka ny 10 oktobra lasa teo izay mandroaka azy ireo. Vokany, vadin-tany iray no bongo maso voatifitry ny totohondry ary mpanampy azy roalahy naratra voadaroka rovitra hatramin’ny ankajony mihitsy. Ary vehivavy iray bevohoka amin’ireo esorina no naratra nivoa-dra teo amin’ny tanàna havia voadaroka tsy nety niala niaro ny fananany. Tsy manaiky lembenana ny andaniny sy ny ankilany fa samy milaza ho manana ny marina ary miandry rariny. Saika nivadika ho zavatra hafa tanteraka ity raharaha ity omaly raha tsy voafehy haingana, satria nisy ny sasany tamin’ireo olona nitazana teo, toa voakarama hanakorontana izay niketrika handoro tobin-tsolika tsy lavitra teo ary vonona ny handroba mihitsy ireo mpanararao-paty.
Manitrisa