Tovovavikely iray mpianatra vao 11 taona monja no simba tanteraka naolana lehilahy iray sahabo ho 25 taona, izay voalaza fa mamon-drongony, ny alarobia hariva teo, tany Betsingilo Toliara II. Rehefa nitsimpona naka kitay tamina kirihitr’ala iray tsy lavitra ny tanàna ity zazavavy ity no avy dia nobedain’ilay lehilahy, ary nofatorany tamin’ny fehinkibo lamba ny vavany tsy hahafahany nikiaka sy niantso vonjy. Avy eo nentin’ilay mpanolana tao anaty alana voanio mangina ary nanaovany ny filan-dratsy niharan’ny herisetra ara-nofo, raha araka ny fitantaran’ilay ankizivavy voaolana nandritra ny angom-baovao.Omby iray sy lelavola 4 hetsy ariary, ala fady sy fifonana. Raha ny tsilian-tsofina araka ny vaovao voaray hatrany, dia misy rohim-pihavanana ity zaza simba tanteraka niharan’ny fanolanana ity sy ilay tovolahy nanao herisetra ara-nofo taminy, ka nangataka nanao raharaham-pihavanana ny fianakavian’ilay tovolahy mpanolana, ary vonona hanolotra omby iray sy lelavola 4 hetsy Ariary ho ala fady sady fifonana mba tsy hitondrana ny raharaha hiakatra amin’ny manam-pahefana mahefa.
Eric Manitrisa
Toliara : Ankizivavy 11 taona simba tanteraka naolana tovolahy mamon-drongony
Articles qui pourraient vous intéresser