Zazavavy iray mpianatry ny EPP ho feno 12 taona amin’ny volana jiona izao no teren’ny ray aman-dreniny hanambady lahiantitra efa mananika ny 64 taona. Ny herinandro teo no najanona tamin’ny fianarana ity zazavavy ity, raha tokony hiatrika fanadinana CEPE tsy ho ela. Noho ny tahotra amin’ny hanambady an’io Nahoda io, vokatry ny faneren’ny nahitany masoandro azy, dia nitsoaka tany amin’ny nenitoany ity ankizivavy ity, ary miangavy mafy sy mitalaho tamin’ity rahavavin-dreniny mba tsy hamela azy handeha hanaraka an’ity lahiantitra any ambanivolo, 56 km avaratr’i Toliara.
Fomban-tany. Raha ny vaovao voaray : vao teraka io ankizivavy io dia efa nanaovan-drangahy fehim-panambadiana, izany hoe : notolorany omby sy vola ny ray aman-drenin’ity « anjampela » ho fiandry, ka rehefa manomboka vory tratra (misy nono mibotsina kely) na mandeha fadim-bolana ilay zaza dia atao amin’izay ny fombafomba samihafa. Aorian’izany dia lasa vadiny rakalakely. Tsy fantatra intsony hoe : vady fahafiry? satria rehareha sy voninahitra ho an’ny lehilahy any Atsimo (mpanarivo) ny manambady maro (mampirafy) !
Hitadiavan-karena. Vokatry ny fanambadiana aloha loatra dia maro amin’ireo tovovavy mbola kely tsy ampy taona lasa reny tsy fidiny no maty am-piterahana. Mahery ny vola sa ny fomban-tany, lasa entam-barotra hitadiavan-karena sy ivelomana ny ankizivavy amin’ iny faritra Atsimo Andrefanan’ny nosy iny. Ny kely veta tia vola sy rendrarendra mitombo isa saika isanandro. Ny sasany amin’ireo tsy afa-manoatra teren’ny fahantrana sy voaolana.
Eric Man