Na dia eo aza ireo fanentanana isan-karazany, dia mbola mahazo laka hatrany ankehitriny ny fanararaotana ara-nofo mihatra amin’ny ankizy tsy ampy taona. Tovovavy iray 13 taona tsy salama saina no niharan’ny fanolanana tambabe nataona telolahy, ny harivan’ny alahady teo, tany Toliara. Araka ny fitantaran’ilay “ajampela”, rehefa nofotorana lalina izy omaly, dia nilaza fa notambazana lehilahy voalaza fa mpitondra posy tamin’ny “biscuit” sy zava-pisotro “coca-cola” ary vola roa arivo Ariary rakalakely, avy eo nentina nitsangantsangana tamin’ny “cyclo-pousse” tany amin’ny toerana mangina. Ary nanaraka tao afara nanao taingin-droa tamin’ny bisikileta kosa ny naman’ilay mpitarika posy. Rehefa tonga tamina trano tokana efa miharava, dia nanamparan’ireo tsy mataho-tody ny filan-dratsiny ity tovovavy manana olana ara-tsaina kamboty ray ity. Araka ny nambaran’ny reniny, dia olona mahafantatra ny fianakaviana ihany no nahavanon-doza, satria fantatr’ilay tovovavy ny endriky ny lehilahy iray tamin’ireo nanolana azy, izay karohina fatratra amin’izao. Nentina nanatona dokotera ary arahi-maso akaiky amin’izao ny fahasalaman’ ity zazavavy niharan’ny fanolanana.
Eric Manitrisa