Tranga tsy fahita firy ao an-drenivohitry ny faritra Atsimo Andrefana no niseho tamin’ity herinandro ity, ka nanaitra ny mpanara-baovao. Tovovavy iray 16 taona, mpianatry ny CEG (classe 5 ème), avy any Ambovombe Androy mipetraka amin’ny rahavavin-dreniny ao Toliara, (vadina mpitari-posy) nanomboka ny volana desambara teo, no niteraka kambana telo mirahavavy ny antoandron’ny alatsinainy teo, ary renin-jaza no nampiteraka azy. Nanano sarotra vao latsaka ny zaza fahatelo, raha ny fanazavana azo. Raha ny angom-baovao hatrany, tsy manambady ity zazavavy tsy ampy taona ity, ka rehefa nitoe-jaza nananika ny dimy volana ny kibony dia najanon’ny ray aman-dreniny tamin’ny fianarana izy. Maso mahita ao Toliara ao, asa na noho ny fomban-tany mbola mahazo laka, na ny fitiavam-bola no diso tafahoatra vokatry ny fahantrana sy rendrarendra, fa mitombo isa hatrany ireo ankizivavy tsy ampy taona mbola mianatra bevohoka, misy aza 12 taona (mpianatry ny EPP) dia efa reny sahady.
Manitrisa