- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Ankizivavy naolana sy nodarohana telo lahy

Toliara : Ankizivavy naolana sy nodarohana telo lahy

Tovovavikely vao 13 taona monja no nihosin-drà naratra mafy naolana sy novonoina telo lahy tany Toliara. Ny tolakandron’ny talata izy no nivoaka ny tranony ary nilaza fa handeha hitsangantsangana hiaraka taminy namany. Tsy tonga tao an-trano anefa ity ankizivavy tsy ampy taona ity raha tsy omaly naraimbe tamin’ny 5 ora izay efa nihosin-drà tanteraka nalemilemy zara raha nahazaka tena ary nahitana diam-bono mangana avokoa ny vantany iray manontolo toy ny teo amin’ny tratrany, ny faritry ny lohany, . . . ary nahitana faritra may toa nodorana tamin’ny afo ihany koa tsy lavitra ny fivaviany. Raha ny fanazavana azo dia naolana sady nodarohana ity zazavavy tsy ampy taona ity sady nomena ranom-boakazo nisy zavamahadomelina fampatoriana. Nariana an-dalambe izy avy eo rehefa vita ny filan-dratsy natao taminy. Rehefa nahatsiaro saina ity “ajampela” ity dia nody nanavotr’aina sady niezaka nitantara ny zava-nihatra taminy tsaroany.
Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici