Ankizivavy tsy ampy taona telo (12, 14 ary 15 taona); izay mbola mianatra no nanjavona tsy hita popoka ary tsy nody tany an-tranon-dray aman-dreniny avy, nandritra ny efatra andro sy telo alina, fa nanaraka lehilahy tany Anantsony kaominina Saint-Augustin, distrikan’i Toliara II, ny herinandro iny. Rehefa vita ny sitrapon’ireto voatavo efa mifandraka ireto dia niverina nody izy ireo. Tsy nanaiky mora anefa ny ray aman-dreniny, fa nitory an’ireto tovolahy nitondra ny zanany. Raikitra ny sakoroka nandritra ny kabary « ambany Kily » tao Sanfily Toliara, ny faran’ny herinandro teo. Ny nahagaga ny rehetra nanatrika anefa, dia nilazan’ireto ankizivavy tsy ampy taona tsy voafehin’ny ray aman-dreniny ireto intsony, fa « raha gadrainareo izy telolahy sipanay ireto dia higadra hanaraka azy any izahay, satria tianay ireo ». Nangasihasy ireo ray aman-dreny menatra olona. Matetika amin’ny tranga fanodinkodinana sy fiarahana amin’ny zaza tsy ampy taona toy izao; izay maso mahita ao Toliara ao, dia vitavita ho azy amin’ny fandoavam-bola sy raharam-pihavanana, ka hanairana ny sain’ny tompon’andraikitra mba handray andraikitra amin’izay amin’ny fampiharana ny lalàna velona misy, na dia eo aza ny fomban-tany. Fa raha izao no mitohy dia ho potika tanteraka ny zazavavy lasa kely veta sy entam-barotra hivelomana.
Manitrisa