Ankizivavy 14 taona mpianatra kilasy “5ème” voalaza fa voaolana ary niharan’ny fanararaotana ara-nofo matetika nataona mpitondra fivavahana izay mpiara-miangona aminy ihany no bevohoka dimy volana, ka tsy afaka manohy ny fianarany intsony ankehitriny. Ny kibon-drazazavavy mibontsina no nanaitra ny reniny sy ireo mpiara-mianatra taminy ary ny mpiara-monina, ka rehefa nofotorina lalina ity ajampela ity dia namboraka ny marina rehetra tamin’ny reniny, ary nanondro ny rain’ilay zaza ao an-kibony. Rehefa voamarin’ny mpitsabo nanao fizaham-pahasalamana azy fa bevohoka tokoa ilay zaza, dia natonin’ny ray aman-dreniny avy hatrany ilay mpitondra fivavahana, ary niaiky ity farany fa izy no nahabevohoka ilay zazavavy. Araka ny tati-baovao voaray, dia niangavy mafy nanao raharaham-pihavanana fifanarahana ara-taratasy tamin’ny ray aman-drenin-drazazavavy ity mpitondra fivavahana ity, ary nanolotra vola telo hetsy Ariary, afak’omaly hariva, no nilaza fa ho raisiny an-tanàna manomboka izao ny momba an-drakalakely rehetra, saingy tsy nanaiky izany fanampena-maso ara-bola izany ny rain’ilay zaza, fa nampiakatra ny raharaha.
Eric Manitrisa