- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Ankizy roa avy nianatra, nokaikerin’ny alika romotra

Toliara : Ankizy roa avy nianatra, nokaikerin’ny alika romotra

Zazalahy roa avy nianatra handeha hody no nokaikerin’ny alika romotra mirenireny tsy fanta-tompo, omaly antoandro, tokony ho tamin’ny 12 ora nahery kely, tao amin’ny fokontany Betania Toliara. Voalazan’ny nanatri-maso fa nitoraka an’ity biby ity ireto ankizy, ka nenjehan’ity farany ary rehefa nianjera sy nitrosona tamin’ny tany, dia nokaikeriny. Tsy maintsy nentina haingana namonjy mpitsabo, satria naratra teo amin’ny feny havia ny ankizy iray, teo amin’ny ilan-kibony kosa ny faharoa. Raha ny maso mahita ao Toliara ao, dia betsaka ireo alika mirenireny ary tsy voafehy intsony ny fahasalaman’ireo biby. Misy ny mirorak’ivy, nefa mandehandeha eny rehetra eny. Hangatahina amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina sy ny dokotera mpitsabo biby ny hamonoana azy ireo, hiadiana amin’ny mety ho fiparitahan’ny valan’aretina haromotana, indrindra amin’izao mialoha ny fotoam-pahavaratra mampafana ny andro izao.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser