- Publicité -
mardi, juillet 22, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Ankizy tsy ampy taona 9 tratra nanendaka, natolotra ny...

Toliara : Ankizy tsy ampy taona 9 tratra nanendaka, natolotra ny fitsarana

Olona 11 voasambotra, noho ny asa fanendahana sy sinto-mahery tao bazary Scama fokontany Betania,  no natolotra ny fitsarana tao Toliara, afak’omaly. Ny sivy amin’ireo dia ankizy tsy ampy taona avokoa; izay avy any Fianarantsoa. Raha ny fampitam-baovaon’ny polisy, dia ankizy  12 taona no tratran’ny fokonolona am-bodiomby nanendaka ny alahady teo. Mbola hita teny an-tànany tamin’io ny lelavola efatra alina ariary. Nofotoran’ny mpitandro filaminana ity farany ka nanondro ny namany. Olona folo voasambotra ny alatsinainy teo, anisan’izay ilay ramatoa nitondra an’ireto zaza ireto avy any Fianarantsoa. Vehivavy faharoa nampian-trano.

Zaza roa nahitana karatra sandoka. Tamin’ny fahatratrarana azy ireo, hoy ny polisy, dia zaza tsy ampy taona roa nahitana kara-panondrom-pirenena sandoka. Manentana ny vahoaka hatrany ny mpitandro filaminana hanome vaovao tsy tapaka azy ireo, raha misy olona mampiahiahy na vahiny mamiravira vola eny anivon’ny fokontany, nefa tsy manana asa mazava, satria ny fandriampahalemana dia adidin’ny rehetra, hahamora ny fisamborana sy fanenjehana ireo mpanao ratsy.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser