Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-basy indray tany Toliara ny harivan’ny zoma 4 jolay teo tokony ho tamin’ny enina ora latsaka. Jiolahy dimy tsy nisaron-tava, nirongo P.A sy basy hafa, no nanafika tranombarotra mpamongady zava-pisotro iray tao amin’ny fokontany Andabizy, ampitan’ny « clinique Saint-Luc », ka lasa tamin’izany ny vola 20 tapitrisa ariary niampy basy P.A 7,65 mm sy entana sarobidy hafa toy ny volamena. Maty tsy tra-drano vokatry ny tifitra nahazo azy nanandrify ny fony ny tompon’ilay mangazay voatafika. Lehilahy iray hafa sendra nandalo nitondra moto ihany koa naratra mafy voatifitra nanandrify ny kibony, ka mbola manaraka fitsaboana amin’izao, ary mbola miady mafy amin’ny fahafatesana. Ny alahady teo no nalefa aty an-drenivohitra ny nofo mangatsiak’ilay « gérant » maty voatifitra.
Fanafihana 5. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana dia efa misy olona ahiahiana amin’ny firongatry ny fanafihana mitam-piadiana ao Toliara. Ny fanadihadiana ataon’ny polisy mandray an-tanana ny raharaha ihany no hahafantarana ny marina. Miverina indray ny laza ratsin’i Toliara eo amin’ny asan-jolahy mitam-basy tato ho ato. Raha ny andro zoma teo iny dia fokontany dimy no nahitana fanafihana mitam-basy ary saika mitovitovy avokoa ny ora nisehoan’ireo tranga ireo, toy ny tao Andabizy, Besakoa, Mitsinjo, Champ de Foire, Betania.
Manitrisa