Tanterahina teo Toliara renivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana, mandritra ny roa andro ary hifarana androany ao amin’ny Hôtel Le Palétuvier Amoron-driaky, ny atrikasa nasionaly hentina handrafetana drafitra mba hametrahana jono maharitra eto Madagasikara, ka tonga nanotrona izany ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Mahantante Paubert sy ny solontena maharitry ny FAO eto Madagasikara, Boliko Charles Mbuli. Mpisehatra maro avy amin’ny lafy valon’ny Nosy no tonga nandray anjara tamin’ity atrikasa ity, toy ireo Fiarahamonim-pirenena, ny solontenan’ireo mpanjono madinika, mpanjono salantsalany ary mpanjono vaventy. Teo ihany koa ireo Ivon-toeram-pikarohana maro misehatra amin’ny jono, ireo Akademisianina ary ireo manam-pahefana ifotony sy ny avy amin’ny fanjakana foibe nahitana ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Ministeran’ny Tontolo iainana. « Manampy ny fanjakana Malagasy hatrany ny FAO mizara fahalalana sy fahaiza-manao. Ary miara-misalahy ankehitriny ny mpiara-miombona antoka rehetra hahatongavantsika amin’ny fametrahana jono maharitra eto Madagasikara, satria ny 67%-n’ny famokarana jono eto amintsika dia avy amin’ny jono madinika avokoa, izay mamelona olona 1,5 tapitrisa. Manana toerana lehibe amin’ny fizakan-tena ara-tsakafo ny jono madinika izay asa fivelomana mamorona asa ho an’ny tanora sy ny vehivavy », hoy ny Minisitry ny Jono, Atoa Mahantante Paubert, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. « Noho ny fananany sisin-dranomasina lava indrindra eto Madagasikara, ary aty ihany koa no betsaka mpanjono indrindra, ka nosongadina manonkana ny Faritra Atsimo Andrefana antony nanaovana izao atrikasa izao eto Toliara, satria ny foko vezo no nianarantsika taty amin’ny faritra atsimo sy andrefana iray manontolo momba ny fanjonoana. Ary mba ahafahana maneho amin’ireo mpanjono, fa eo foana ny ministera sy ireo mpiara-miombona antoka sasany manampy sy hanampy azy ireo », hoy ingahy Minisitra izay mpampianatra mpikaroka manam-pahaizana manonkana momba ny ranomasina, namarana ny fanazavany.
Eric Manitrisa