« Ny sipa tsy maintsy mirola, fa ny kibo tsy asian’olona ». Fomba fiteny fandre matetika eny anivon’ny fiarahamonina io ary ny tanora matetika no mampiasa azy. Asa izay nahazo ireto lehilahy roa ireto afak’omaly alina, fa nikasa hamono tena izy ireo noho ny olam-pitiavana. Araka ny fitantaran’ny havany dia vokatry ny fisarahany tamin’ny olon-tiany avokoa no nahatonga azy ireo hamoifo saika hanapitra ny ainy. Ny iray niboboka toaka avy eo nihinana fanafody fampatoriana. Ny iray kosa saika hanantona ny tendany tamin’ny tady no nalaky voavonjy. Araka ny fandihadiana maro samihafa amin’izao dia ny lehilahy/tovolahy no mora mamono tena raha misy olana mafy sedrainy, raha mitaha amin’ny vehivavy. Tamin’ny ankapobeny dia nangingina ny fety krismasy tany Toliara, fa ny olona mamo an-dalambe teo ihany, niampy ny adiady madinidinika. Tsy dia nandrenesam-baovao firy ireo tratran’ny fihapoizinana ara-tsakafo.
Manitrisa