- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Basy 4 nampiasain’ny dahalo sarona, kalach 5 mbola karohina

Toliara : Basy 4 nampiasain’ny dahalo sarona, kalach 5 mbola karohina

Basy efatra (Kalachnikov 1, basim-borona 1, ary basy vita gasy Kidabonaly 2) nampiasain’ny dahalo tariky Deba (Remenabila mandravarava any amin’ny distrikan’ i Toliara II) no saron’ny mpitandro filaminana tao amin’ny kaominina Maromiandra, tamin’ity herinandro ity, taorinan’ny hetsika natao ny 24 martsa lasa teo. « Mbola karohina kosa amin’izao ary tsy hamelanay raha tsy tafaverina amin’ny mpitandro filaminana ireo basy kalach dimy any amin’ireto andian-dahalo ireto, miampy omby 40 very sy ireo omby najavona tsy hita talohan’io », hoy ny Chef d’Escadron Tsiketa Janvier Parfait, « Commandant de Compagnie »n-ny Zandarimaria ao Toliara.
Raha ny fanazavan’ity manamboninahitra ambony ity dia matotra ny fiaraha-miasan’ny Zandary sy Zama (andian-tanora sahy mifanehitra amin’ny malaso) izay mahafantatra ny tsiambaratelon’ny toerana hanafenan’ireo dahalo ny omby halatra sy ny fombafomba fanafihan’ny malaso. Marihina fa Zama telo nanara-dia no lavon’ny balan’ireo Deba.

Eric Man

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser