Mailomailo be ilay teratany vahiny tonga teo amin’ny seranam-piaramanidina tany Toliara mba hamonjy zotra. Nanintona ny polisy misahana ny fiambenana izany. Rehefa natao tokoa ny fisavana ny taratasy sy ny entana dia nisy dikany tokoa ilay fihetsika hafahafa. Nisy sokatra enina tao anaty vatan-kazo kely miisa roa. Mody nasiana marika sigara teo ivelan’izany mba hahavery ny mpisava. Tsy nahomby anefa izany tamin’ity indray mitoraka ity. Hita tao ny sokatra mbola velona. Tsy vitan’izany fa mbola nahitana “bigboss” na koa ireny etona mandatsa-dranomaso sy mahasempotra ireny, miisa telo, tao anatin’ny entany. Avy hatrany dia notazomin’ny polisy ilay teratany vahiny. Nogiazana ihany koa ireo entany rehetra, isan’izany ireo biby sarona tao. Ny polisy misahana ny heloka ekonomika no miandraikitra ny fanadihadiana ity raharaha ity ao Toliara. Tsy azo atao ny mividy sy mivarotra sokatra eto amintsika. Efa betsaka izay nidoboka am-ponja izay noho ny raharaha ohatra an’izany. Biby arovana ny sokatra eto amintsika ary raràn’ny lalàna ny famarotana na ny fihinanana azy na koa ny fiompiana azy.
D.R