- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : « Camion semi-remorque » nahafaty sy nandratra olona, nitsoaka

Toliara : « Camion semi-remorque » nahafaty sy nandratra olona, nitsoaka

Raha ny loharanom-baovao mari-pototra : tsy ao Toliara intsony amin’izao ilay fiarabe « camion semi-remorque » miloko manga nahafaty olona, ny antoandron’ny asabotsy lasa heriny teo, tao amin’ny tsenan’ny Soanafindra Amborongony. Tsy hita popoka ny toerana misy azy ankehitriny, satria olona ambony mahitahita ny tompony. Ny zoma teo no nandalo teny amin’ny fitsarana tao Toliara ny raharaha, ary navosotra nalefa nody ny mpamily, satria mbola tsy ampy ny antontan-taratasin’ady.

Raha ny voalazan’ireo nanatri-maso : nandeha mafy tao anaty fiolanana ity « camion semi-remorque » ity. Zazavavy sivy taona no maty tsy tra-drano, raha naratra mafy vaky loha ny reniny, ary mbola nandona fiarabe iray hafa teo am-pitsoahana (vaky ny « rétroviseur »-n’ilay « camion ben » havia). Nijanona ny mpamilin’ilay fiara simba (teo amin’ny 10 m aloha amin’ny toerana nisehoan’ny voina) sady nivoaka nanenjika ilay kamiao nahavanon-doza nitsoaka tsy nety najanona. Rehefa nokarohina sy narahin-dia, tratra niafina tamina tokontanin’olona iray mifefy tao Mitsinjo Betanimena (4 km miala ny toerana nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana), ary efa tsy tao intsony ny mpamily sy ny mpanampy azy, izay nanafatra mafy tamin’ny mpiambina tanàna, fa « rehefa misy olona mitady ahy dia ataovy hoe tsy ato aho ». Ny harivan’io ihany, hoy hatrany ny loharanom-baovao, voasambotry ny mpitandro filaminana ny mpamily

Eric Man

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser