Jiolahy telo mitam-basy nanafika ny « cash point Airtel » ao Toliara-centre, tsy lavitra ny kianja mitafo, nahaverezana vola 16 tapitrisa ariary, niampy finday avo lenta efatra. Ny harivan’ny 30 oktobra lasa teo tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany, no nisy voasambotry ny mpitandro filaminana, ka natolotra avy hatrany ny fitsarana. Fanomezam-baovao avy tamin’olona tsara sitra-po no nanamora ny fisamborana an’ireto jiolahy mitam-piadiana mpandroba ireto. Raha ny fampitam-baovaon’ny mpitandro filaminana, dia niady tamin’olona tao Tsimenatse Toliara ny roa tamin’ireo jiolahy nandritra ny hain-trano nitranga ny alin’ny alakamisy 23 oktobra lasa teo. Fa ny iray koa dia ekipan’ny « bandes de 7 » ; izay ravan’ny polisy tsy ela ity fikambanan-jiolahy ity, ary efa any am-ponja amin’izao.
Manitrisa