Jiolahy efatra nitondra basy mahery vaika “kalachnikov” sy P.A ny roa, sabatra lava lela ny an’ny ambiny, no nanafika ny tobin-tsoliky ny Jovenna ao Sanfily Toliara, omaly naraina tokony ho tamin’ny valo ora latsaka tany ho any. Lasan’ ireo jiolahy mitam-piadiana tamin’izany ny lelavola manodidina 70 tapitrisa fmg, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tanàna ny raharaha. Io vola io, raha ny fantatra, dia saika harotsaka tany amin’ny banky. Midika izany, raha ny loharanom-baovao hatrany, fa fantatr’ireto olon-dratsy ny fisian’ny vola be tao.
Voatoto vodim-basy. Naratra mafy teo amin’ny lohany voatoto vodibasy tamin’ity fandrobana ity ny ramatoa iray mpitantana ity “station-service” ity, ary voambana basy tsy afa-nihetsika hatramin’ireo mpanjifa solika tonga tao. Mbola karohina kosa hatramin’ny ora nanoratana ity lahatsoratra ity ireo jiolahy rehetra, raha tra-tehaka tazomina ao amin’ny biraon’ny Polisy ao Bazaribe Toliara ilay fiarakaretsaka nampiasan’ireo olon-dratsy sy ny mpamily atao famotorana. Marihina fa nifanindran-dalana tamin’ny fandosiran’ireo gadra marobe taorian’ny fahavakisan’ny fonjaben’i Toliara ao Bazaribe, omaly naraimbe tamin’ny 1 ora, ity fanafihana ity.
Eric Manitrisa