Tezitra amin’ny fivarotana ny toeram-pandevenan’ izy ireo amin’ny karàna sy ireo orinasa maro ao Toliara ny foko 18 manana fasana ao Andranomena Toliara, ka nidina an-dalambe naneho ny tsy fahafaliana ary nilanja sora-baventy sady nanakan-dalana nanao barazy tamin’ ny lalam-pirenena fahafito, ny asabotsy maraina teo. Raha ny fanazavana azo, natao ity hetsika ity mba hanairana ny mpitondra, satria maro tamin’ireo toeram-pandevenana no efa lafo. Efa hatry ny ela ny foko Vezo no nanakana an’ io toeram-pandevenana io tsy hamidy na hanaovana trano na zavatra hafa, nefa nanaovan’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany be marenina. Mbola mitohy ny fivarotana ka nitroatra ny vahoaka, satria voazimbazimba ny fasan’izy ireo. Niainga tao Mahavatse ny hetsika diabe ary nijanona manoloana ny fasana ao Andranomena, ary raikitra avy eo ny barazy tamin’ny RN7. Tonga haingana nandamina ny raharaha ny lehiben’ny Faritra sady nampitony ireo vahoaka ary nilaza fa hitady vahaolana. Tapaka ny asabotsy io fa ajanona avy hatrany ny asa fanamboarana rindrina ataona mpandraharaha karàna manakaiky ny fasana. Hitohy anio alatsinainy hariva ao amin’ny lapan’ny Faritra ny fifampiresahana hitadiavam-bahaolana eo amin’ireo solontenan’ny foko 18 sy ireo manam-pahefana ao Toliara hatrehin’ny ben’ny tanànan’i Betsinjake.
Eric Manitrisa